Iza no namako
Nampidirin'i herimiafina | 6 Aog, 2006"Raha hanao lanonana fanasana ianao,
-dia aoka tsy ny havanao, ny namanao, na ny mpifanolo-bodirindrina aminao no hasainao, satria ireny ho faly aminao avy eo ka hanasa sy hamerina aminao izay efa nataonao taminy;
-Fa aoka kosa mba ny mahantra sy ny ory izay tsy afaka hamerina aminao izay vola sy fotoana ary hery laninao rehetra; Andriamanitra any an-danitra no hamaly soa ho anao " .