Mpanararaotra
Nampidirin'i herimiafina | 14 Aog, 2006Manararaotra! Inona moa io?
Fomba ilazantsika sy iantsoantsika ireo olona managataka amintsika ve?
Sa ireo olona avy nampiana ka mbola mangataka foana?
Sa ireo olona tsy hita rehefa mandeha ny fiainany fa hita rehefa tsy metimety ny fiainany?
Eo no mipetraka ny fanontaniana? Ianao ihany dia mahavaly azy!
Tadidio ny nolazaina tatsy aloha, fa ny fanaovana soa dia tsy voatery fanomezana vola, na fanomezana mofo ihany. Moa va olona TOKONY NANAOVANA SOA NO NANAOVANAO IZANY?
Ny fitiavan'Andriamanitra dia Agape, amour inconditionnel, tsy mila tambiny. Raha miteny Izy hoe Mifankatiava toy ny nitiavako anareo dia hitady tambiny ve isika ka ho ataontsika fa manararaotra antsika izay tsy manome izany?