Warning: Declaration of CachedTemplate::fetch($cacheId) should be compatible with Template::fetch($resource_name = NULL, $cache_id = NULL, $compile_id = NULL, $display = false) in /home/blaogycom/public_html/class/template/cachedtemplate.class.php on line 41

Warning: Declaration of CachedTemplate::display($cacheId) should be compatible with Template::display($resource_name, $cache_id = NULL, $compile_id = NULL) in /home/blaogycom/public_html/class/template/cachedtemplate.class.php on line 75
Hehehehe | Iza no namako

Iza no namako

Nampidirin'i herimiafina | 6 Aog, 2006

"Raha hanao lanonana fanasana ianao,
-dia aoka tsy ny havanao, ny namanao, na ny mpifanolo-bodirindrina aminao no hasainao, satria ireny ho faly aminao avy eo ka hanasa sy hamerina aminao izay efa nataonao taminy;
-Fa aoka kosa mba ny mahantra sy ny ory izay tsy afaka hamerina aminao izay vola sy fotoana ary hery laninao rehetra; Andriamanitra any an-danitra no hamaly soa ho anao
" .


Betsaka ny mitaraina mantsy hoe, nofitahin'ny namana, misy manararaotra rehefa manao soa , sns. Betsaka ny manao hoe: raha manao soa aman'olona dia tamy izy hanararaotra. Ataovy ny soa dia aza manontany akory, ny madinika hanaovana azy fa an'Andriamanitra ihany ny sazy sy ny valisoa.

Ny fanaovana soa dia tsy voatery ny fanomezana mofo ihany, na vola. Ny fanasaziana sy ny fananarana ihany koa dia mety ho soa ataonao amin'ny olona iray. Raha nangalatra izy dia hanaro, ento any amponja hogadraina mba ho afaka ao aminy ny Devolin'ny fangalarana.

Raha te-hiaina ao anatin'ny mazava ianao dia tokony hitia ny rahalahinao. Nefa inona moa no ho lalana hita raha any amin'ny maizina no mandeha? Aza mitsoaka ny mazava sao dia ho tafitohina ianao!

(Hevitra naseho tao amin'ny http://serasera.org/forum/