Vatsi-mpianarana!!!!

Nampidirin'i herimiafina | 18 Aog, 2006

Mbola tanora ny tenako dia efa naniry ny hanohy fianarana aty ivelany. Tsy nisaina velively hoe ambany ny fianarana misy any Madagasikara araka ny heritreretin'ny ankabeazan'ny olona, fa kosa, niheritreritra ny hijery sy hitrandraka ny zava-misy etsy sy eroa na atsy Afrika na any Europa.

Natao ny fangatahana maro isankarazany, mitovy avokoa ny vokany: "tsy voaray". Nandritry ny telo taona no nivezivezy sady niasa nanandrana ny karazana "offre de bourse" nisy, tao amin'ny Conabex, etc.

Tsy haiko na izaho no denendrina na ny fomba fangatahako no fomba dondrona be no mahatonga ahy tsy mety ho lany, hany ka leo tanteraka no kamo hangataka, no be fiaino ireo zanak'olona sasany manakivy hoe "misy risoriso io" sns....

Efa teo amperin'asa indray andro izay no sandra ny antso tampoka, nilaza fa "nivaly ny fangatahana iray ka lany soa amantsara". Io fangatahana nataoko io anefa no anisan'ny tena tsy nanetanaiko indrindra satria fomba dondrona araka ny filazako azy no nanaovako azy. Mahagaga an!

Teo no nialan'ilay saindratsy hoe "misy risoriso, sns". Mety misy ihany io saingy raha misy 10 voaray ataoko fa tsy izy folo no indray nanao risoriso.....

Mpanararaotra

Nampidirin'i herimiafina | 14 Aog, 2006
Noresahina tatsy amin'ilay hoe iza no namako, fa mahazatra antsika ny mitaraina fa hoe misy manararaotra rehefa manao soa.
 (tohiny)

Iza no namako

Nampidirin'i herimiafina | 6 Aog, 2006

"Raha hanao lanonana fanasana ianao,
-dia aoka tsy ny havanao, ny namanao, na ny mpifanolo-bodirindrina aminao no hasainao, satria ireny ho faly aminao avy eo ka hanasa sy hamerina aminao izay efa nataonao taminy;
-Fa aoka kosa mba ny mahantra sy ny ory izay tsy afaka hamerina aminao izay vola sy fotoana ary hery laninao rehetra; Andriamanitra any an-danitra no hamaly soa ho anao
" .

 (tohiny)

Tonga soa Herimiafina!

Nampidirin'i herimiafina | 30 Mar, 2006
Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity.
Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.